𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐀𝐑𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 𝐎𝐅𝐈𝐒𝐈𝐀𝐋𝐘 – 𝐏𝐇𝐀𝐑𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐎𝐊𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐅𝐎𝐃𝐘 𝐌𝐈𝐈𝐒𝐀 𝟕 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘
𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨, 𝟐𝟑 𝐌𝐞𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟓 – 𝐏𝐡𝐚𝐫𝐦𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲, 𝐨𝐫𝐢𝐧𝐚𝐬𝐚 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐟𝐨𝐝𝐲 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚, 𝐝𝐢𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐚𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐨𝐟𝐢𝐬𝐢𝐚𝐥𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐝𝐢𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐝𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐢𝐭𝐬𝐚𝐩𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐛𝐚𝐫𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐟𝐨𝐝𝐲 𝟕 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨, 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐨𝐯𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐬𝐞𝐡𝐚𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐟𝐨𝐝𝐲.
Ireto avy ireo fanafody ireo:
- 𝐏𝐚𝐫𝐚𝐜é𝐭𝐚𝐦𝐨𝐥 𝟓𝟎𝟎 𝐦𝐠
- 𝐈𝐛𝐮𝐩𝐫𝐨𝐟è𝐧𝐞 𝟐𝟎𝟎 𝐦𝐠 & 𝟒𝟎𝟎 𝐦𝐠
- 𝐏𝐫𝐞𝐝𝐧𝐢𝐬𝐨𝐥𝐨𝐧𝐞 𝟓 𝐦𝐠
- 𝐅𝐮𝐫𝐨𝐬é𝐦𝐢𝐝𝐞 𝟒𝟎 𝐦𝐠
- 𝐀𝐥𝐥𝐨𝐩𝐮𝐫𝐢𝐧𝐨𝐥 𝟏𝟎𝟎 𝐦𝐠
- 𝐂𝐡𝐥𝐨𝐫𝐩𝐡é𝐧𝐢𝐫𝐚𝐦𝐢𝐧𝐞 𝟒 𝐦𝐠
Vidy 𝐦𝐢𝐝𝐢𝐧𝐚 𝟐𝟎 % raha oharina amin’ny vokatra mitovy eny an-tsena — mba hanomezana sehatra ho an’ny rehetra, indrindra fa ireo sahirana, 𝐡𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐟𝐨𝐝𝐲 𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 𝐤𝐚𝐥𝐢𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐢𝐝𝐢𝐧𝐲 𝐦𝐢𝐫𝐚𝐫𝐲.
Ity dingana manan-danja ity dia ampahany amin’ny fanatanterahana ny vina lehibe hanamafisana ny fahaleovantenan’i Madagasikara ara-panafody, amin’ny alalan’ny famokarana eto an-toerana sy fanamaivanana ny fiankinana amin’ny fanafarana.
Pharmalagasy dia manohy ihany koa ny fanomezana lanja ny fahalalana nentin-drazana amin’ny alalan’ny famolavolana MTA (Médicaments Traditionnels Améliorés) sy RTA (Remèdes Traditionnels Améliorés), ho an’ny fahasalamana maharitra sy mifanaraka amin’ny maha-izy antsika malagasy.
𝐍𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐚 𝐝𝐢𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐦𝐨𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐡𝐨𝐚𝐤𝐚 𝐦𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐟𝐨𝐝𝐲 𝐢𝐥𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐝𝐚𝐯𝐚𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨, 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐚𝐥𝐚𝐥𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐟𝐞𝐧𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚, 𝐬𝐚𝐝𝐲 𝐦𝐨𝐫𝐚 𝐯𝐢𝐝𝐲 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐡𝐨𝐦𝐛𝐲.
𝐏𝐡𝐚𝐫𝐦𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 – 𝐌𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐬𝐚𝐥𝐚𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚.







