Pharmalagasy

Fil info

COMMUNIQUE DE PRESSE

𝑵𝒚 𝑷𝒉𝒂𝒓𝒎𝒂𝒍𝒂𝒈𝒂𝒔𝒚 𝒅𝒊𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒂𝒎𝒂𝒇𝒚 𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂𝒏𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒗𝒐𝒏𝒐𝒏𝒂𝒏𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒌𝒂𝒓𝒐𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒎𝒐𝒌𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒇𝒐𝒅𝒚 𝒆𝒕𝒐 𝒂𝒏-𝒕𝒐𝒆𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒉𝒐 𝒕𝒐𝒎𝒃𝒐𝒕𝒔𝒐𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒔𝒂𝒍𝒂𝒎𝒂𝒎-𝒃𝒂𝒉𝒐𝒂𝒌𝒂

Antananarivo 30 septambra 2022

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 2 oktobra 2020 ny ozinina farmasetika Pharmalagasy, nandritra ny vanim-potoana niadiana tamin’ny valanaretina Covid 19, ary nahitana ny fiaraha-miasan’ny sampan-draharaham-pikarohana momba ny fahasalamana nasionaly sy ny mpikaroka mpahay siansa malagasy izay nikaroka ny fomba fitsaboana eto an-toerana ary nanolotra ny fanafody avy amin’ny farmakopea (pharmacopée), ho tombotsoan’ny fahasalamam-bahoaka sy ny vahoaka malagasy.

Ny fanafody novokarin’ny Pharmalagasy voalohany dia ny CVO+ gélule ahitana ny CVO+ Préventif sy ny CVO+ Curatif, izay fanafody fanefitra iadiana amin’ny valan’aretina COVID-19. Izy ireto dia nampiasain’ny Malagasy maro manerana ny Nosy sy ny hopitaly rehetra nandraisana ireo mararin’ny COVID-19 manerana ny faritra ary hita sy tsapa fa nahomby ny fampiasana azy satria nanasitrana sy niaro olona maro.

Ankehitriny dia efa voafehintsika izany valan’aretina izany raha ny tahan’ireo mararin’ny Covid 19 no jerena izay hita fa efa tena nihena be satria miisa 16 sisa ireo marary raha ny antotan’isa navoakan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny herinandro lasa teo. 𝐍𝐨𝐡𝐨 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐟𝐢𝐡𝐞𝐧𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐫𝐚𝐫𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐂𝐨𝐯𝐢𝐝 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐝𝐢𝐚 𝐫𝐚𝐫𝐢𝐧𝐲 𝐫𝐚𝐡𝐚 𝐧𝐢𝐡𝐞𝐧𝐚 𝐢𝐡𝐚𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐨𝐤𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐂𝐕𝐎+ 𝐠𝐞́𝐥𝐮𝐥𝐞 𝐟𝐚 𝐢𝐧𝐝𝐫𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐫𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐦𝐢𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐝𝐢𝐫𝐚𝐦-𝐛𝐨𝐥𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐨𝐫𝐢𝐧𝐚𝐬𝐚 𝐤𝐚 𝐦𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐬𝐚𝐡𝐢𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐝𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐨𝐫𝐢𝐧𝐚𝐬𝐚 𝐤𝐚𝐧𝐞𝐟𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐧𝐢𝐭𝐬𝐚𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐧𝐢𝐭𝐚𝐝𝐲 𝐯𝐚𝐡𝐚𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐧𝐲 𝐏𝐡𝐚𝐫𝐦𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲.

Na izany aza anefa, tsy mitsahatra mamokatra karazana fanafody sy fanampin-tsakafo hafa ankoatra ny CVO+, ny Pharmalagasy, toy ny Artemisis+, Ananambo+, Kozi+, Herinala+, Talilo+, Tori+, Baobab+ Banane, Baobab+ Cacao, Herbal Digest, Immunim sns. Misy amin’izy ireo no manampy amin’ny fitadidiana, ao ireo manome hery sy tanjaka ary koa ireo manampy ny olona manana olana ara-tosidrà sy manampy amin’ny fandevonan-kanina. Hita sy azo jifaina eny amin’ny fivarotam-panafody na farmasia, « parapharmacies » ary toeram-pivarotana lehibe manerana ny Nosy ireo vokatra ireo.

Mba hampiroboroboana ny famokarana fanafody eto amintsika dia eo am-pamolavolana fiaraha-miasa « JOINT-VENTURE » sy « TRANSFERT DE TECHNOLOGIE » amin’ny mpiara-miombon’antoka vahiny avy any Inde sy Egypte ary Maroc ny Pharmalagasy ankehitriny mba hahafahana mamolavola sy mamokatra, tsy ho ela, ireo karazam-panafody manavotra ny Malagasy amin’ny andavanandro na « Générique », toy ny Paracétamol, Vitamine C, fanafodin-kibo sns, izay kendrena hifanaraka amin’ny fahefa-mividin’ny vahoaka Malagasy.

𝐈𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐧𝐨 𝐡𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐝𝐢𝐚 𝐦𝐛𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐚 𝐞𝐟𝐚 𝐧𝐚𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐑𝐞𝐩𝐨𝐛𝐥𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐨𝐤𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧-𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐯𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐟𝐨𝐝𝐲 𝐦𝐚𝐦𝐚𝐥𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐚̀𝐧’𝐧𝐲 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐫𝐞𝐬𝐚𝐤𝐚 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐬𝐚𝐥𝐚𝐦𝐚𝐧𝐚.

Ao anatin’ny fotoana vitsivitsy ihany koa dia mikasa hanondrana vokatra fanafody « VITA MALAGASY » ny Pharmalagasy eo amin’ny tsenam-paritra sy iraisam-pirenena. Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny vokatra indostrialy Malagasy ho an’ny famerenana indray ny fiandrianam-pirenena indostrialy izany.

Ny Tale Jeneraly

PHARMALAGASY,  »Hanova ny tantara amin’ny alalan’ny Siansa

Partagez l'article

Articles récents
Newsletter

Abonnez-vous à notre newsletter mensuelle pour rester informé(e)

Abonnez-vous à notre newsletter

Inscrivez-vous pour recevoir des mises à jour, des promotions et des aperçus exclusifs de nos prochains produits. De plus, bénéficiez de 20 % de réduction sur votre prochaine commande.